Milah KAMIKAZ tokoa ny fiainana

Nampidirin'i milah | 30 Mar, 2006

 

  Mba nandinika ihany aho rehefa mivezivezy eny an-dalana eny, mahita ireo olona somokotra mandeha atsy sy aroa. Tsy inona tsy akory no mahatonga ireny olona ireny manao izany fa dia i "RAVOLA" ihany. Ny fianana mihitsy no antoka voalohany amin'izany. Na dia efa voarara ao amin'ny baiboly aza fa raràna ny mangalatra, raràna ny fijangajangana, sns...dia mbola betsaka ireo manao izany, dia mbola ny fiainana ihany mahatonga izany.Mba lasa ihany ny saiko momba ity fitadiavam-bola ity fa dia tsy lany atao ny olona amin'ny fitadiavana, kanefa ny tena mampalahelo ahy dia misy ny tsy misasatra akory dia mahazo azy ary misy ireo izay mila hamoy ny ainy mihitsy vao mahita ho harapaka: izany no hanaovako hoe KAMIKAZ ny fiaianana.